Eva
I Eva, araka ny Baiboly, dia ilay vehivavy voalohany noforonin'Andriamanitra teto ambonin'ny tany. Ny vadiny dia i Adama, ilay lehilahy noforonin'Andriamanitra voalohany indrindra. Izy mivady no nitaranaka ny olombelona rehetra. Noforonina tamin'ny alalan'ny fotaka i Adama fa i Eva kosa tamin'ny taolan-tehezan'i Adama. Ny fahotan'izy mivady no niteraka ny fahasahiranana sy ny fahafatesan'ny olombelona.