Ny Empira Mpanjanaka Frantsay: ny voalohany (manga tanora) sy ny faharoa (manga antitra).
Ny Empira Mpanjanaka Frantsay dia fitambaran' ny zanatany, ny prôtektôrata, ny fizaràn-tany nanendrena ho tantanana ary ny fizaràn-tany rehetra izay teo ambany fiahiana, izay nofehezin' ny Frantsay na notantanany. Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-16 izany, ary nivoatra amin' ny fomba tsy mitovy rehefa nandeha ny fotoana, teo amin’ ny habeny na ny mponina ao aminy na ny harenany.
Amin' ny ankapobeny dia vanim-potoana roa lehibe no azo avahana, ka ny manasaraka izany dia ny Ady Fito Taona sy ny Revôlisiôna Frantsay sy ny vanim-potoanan' i Napoléon, fizaràm-potoana nahaverezan' i Frantsa saika ny fitambaran' ny fandraharaham-panjanahantany voalohany.
Zanatany frantsay tany Amerika nandritrany Empira voalohany
Ny Empira Mpanjanaka Frantsay voalohany, izay niforona tamin' ny taonjato faha-16, dia nahitana ny fizaràn-tany maro any Amerika Avaratra, ny nosy Antilia sasany, ireo nosy Maskareina ary zanatany any India sy aty Afrika. Ny Ady Fito Taona dia niafara amin' ny fahaverezan' ny ampahany betsaka amin' ny fizarà-tanin' ny mpanjanaka frantsay izay lasan' i Britaina Lehibe (Nouvelle-France sy ny tany India). Tafavoaka velona ny Empira Mpanjanaka Frantsay na dia teo aza izany rehetra izany ary nahita firoboroboana noho ny fanondranana kafe avy any Antilia (Saint-Domingue, Martinique, Guadeloupe) ary indrindra ny siramamy teo anelanelan’ ny taona 1763 sy ny faran' ny taompolo 1780. Nirodana tampoka anefa izy io ka saika nanjavona tanteraka taorian' ny vanim-potoanana napôleôniana (ohatra, ny fivarotana an' i Louisiana).
Zanatany frantsay nandritra ny Empitra faharoa
Ny Empira Faharoa, izay naorina tamin' ny taompolo 1830, dia ahitana indrindra ny faritra maro aty Afrika maro azo avy amin' ny tobim-barotra tranainy, ary koa any Azia (any Indôsina sy any Ampiposahana) ary any Ôseania (Pôlinezia Frantsay, Nouvelle-Calédonie, Nouvelles-Hebrides). Nandritra ny tapany faharoa amin' ny taonjato faha-19 sy nandritra ny taonjato faha-20, ity empira mpanjanaka faharoa ity no faharoa lehibe indrindra teto an-tany, aorian' ny Empira Mpanjanaka Britanika raha amin' ny lafiny veleran-tany. Hita teo amin' ny kôntinenta rehetra ity empira mpanjanaka ity, izay niitatra tamin' ny fara tampony, nanomboka tamin' ny taona 1919 ka hatramin' ny 1939, maherin' ny 12 347 000 km2, izay nisy mponina 68 690 000 tamin' ny taona 1939, kely lavitra hoho ny Empira Britanika izay nahitana an' i India irery nisy mponina 330 000 000 tamin' io fotoana io ihany. Nahatratra 12 898 000 km2 ny velaran' ny Empira Frantsay teo ambany fiandrianam-pirenena frantsay, anisan' izany i Frantsa.
Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.
Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.
Nisy ny fanjakà-mpanjaka niorina koa teo anelanelan' ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny Fanjakan' i Loba (Luba) sy ny Fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjakà-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) ny Pôrtogey. (tohiny...)
Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny.