Bodisma
Avy amin'i Wikipedia
Ny bodisma dia finoana noforonin'i Siddharta Gautama. Ny bodisma dia mampianatra ny olona hamarana ny fijaliany amin'ny alalan'ny fanalana ny fankahalana, ny tsifahalalana ary ny fitiavam-bola tafahoatra. Rehefa manao zava-dratsy ny olona dia hitarika voka-dratsy ho azy izany. Rehefa manao zavatra tsara ny olona dia hitarika voka-tsoa ho azy izany. Tsy mifandanja ny zava-tsara sy ny zava-dratsy.