Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara farany

29 Novambra 2016

Miadam-Pandeha Ny Fiarahamonim-pirenena Amin'ny Fanadihadiana Ny Filazana Fitondran-tena Ratsy Nataon'ny Filohan'i Trinidad & Tobago

Nanonona ny minisitry ny fitsarana tamin'izany fotoana izany ny tatitra an-gazety tamin'ny 2014 fa: "Ny sekreteran'ny [Vaomiera Mpandinika ny Karama] (ny CPO) dia tsy mahazo manapa-kevitra momba ny tambin-karaman'ny trano fonenana ho an'ny Filoha. Andraikitry ny SRC ihany izany.

Anio no andron'ny #GivingTuesday – Fanolorana Fanomezana Ho An'ny Global Voices

Mampahatsiahy antsika ny hetsika tamin'ity taona ity fa mbola tsy vita mihitsy ny asa fanorenana tetezana hifandraisana sy hiarovana ny zo fototra . Miangavy anao mba hanolotra fanomezana ny Global Voices amin'ity #GivingTuesday ity.

Malahelo Ny Maha-Mpiady Anaty Akata Azy Izy, Saingy Manomboka Fiainana Vaovao Ao Amin'ny Fireneny Ity Menavazana Tao Amin'ny FARC teo Aloha ity

Nandray basy ary nanatevin-daharana ny FARC i Xiomara tamin'ny faha-14 taonany. Toy ireo vehivavy an'arivony hafa, azony ankehitriny ny fomba atao handaozana izany fiainana izany.

Nosamborina ny Lehiben'ny Hetsika “Bersih” Manohitra ny Kolikoly ao Malezia

"Ity ve no karazana firenena tian'ny Maleziana hiainana, izay manjaka ny kolikoly, misy hosoka ny fifidianana ary gadraina ireo tsy manan-tsiny?"

Miresaka Ny Fitsarana An-tendrony Ao Amin'ny Firenena Ny Lahatsary Mannequin Challenge Bahrainita

" Tsy miresaka momba ny [fiaraha-monina] iray fotsiny izahay ao amin'ity lahatsary ity. Ianareo rehetra no tianay ambara, ny fiarahamonina rehetra."

Mbola Lavitra Ny Làlana Hodiavina Amin'ny Ady Ho An'ny Zon'ny Vehivavy ao Afganistana

"Satria nateraky ny olona iray manana atidoha tsizarizary ho eto amin'ity tontolo ity, dia tsy maintsy olona tsy misy atidoha ihany koa ingahy solontenan'ny filankevitra ara-pivavahana eto Kabul."

28 Novambra 2016

Fanontaniana Mahamay Ny Sain'ny Venezoeliana : Hijanona sa Handeha ?

Niadi-hevitra momba ny firenena, ny mari-panondroana sy ny fahavoazan'ny tanindrazana sady mampatsiahy ihany ny krizy ara-toekarena sy politika ao amin'ny firenena ireo Venezoeliana any am-pielezana izay nihabetsaka vao haingana.

Vinavina Amin'ny Fampiasana Antserasera Ny Teny Ao Amin'ny Vondrom-piarahamonina Mayangna sy Miskito

Rising Voices

Ity no lahatsoratra fahatelo amin'ny tetikasa "Miskito sy Mayangna ato amin'ny aterineto", nandresy nahazo vatsy tamin'ny vatsy bitika taona 2015 ho fanohanana ny hetsika fikatrohana nomerika ho an'ny teny teratany. Tontosaina ao Nikaragoà ny tetikasa ary mikasa hanamafy orina ny fiteny eo an-toerana miaraka amin'ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora.

27 Novambra 2016

Mafana Fo Te hanangana Tsangambato Ho an'ilay Mpanao Ratsy Malaza Indrindra Anty Sarimihetsika Any Rosia

Akon'ny RuNet

Mafana fo Rosiana nanangona vola hananganana tsangambato ho an'i Sergei Bodrov Jr., ilay mpiantsehatra nilalao ny toeran'ilay maherifo, Danila Bragof, tao anatin'ilay sarimihetsika "Brat".

Manan-Jo Hanana ny Fiainany Manokana koa Ireo Mpijery Tranonkala “Ho an'Olondehibe” — Fa Iza No Mba Miaro Azy Ireo?

GV Mpisolovava

Tsy ny mombamomba manokan'ireo mpiserasera amin'ny tranonkala ho an'ny olon-dehibe ihany no iharan'ny fanitsakitsahana fa ny tsy fahafahana miaro ireo mpanjifa ireo.